♦ Tsy eken'ny Depiote mpanohitra ny fividianana fiara 4x4. Tsy nifampierana, hoy izy ireo, ny fanapahana ny fandoavana solika hividianana izany, fa natao tery vay manta... ♦ Hiakatra ho 25% amin'ny tahan'ny karama farany ambany ny fisotroan-dronon'ireo zokiolona mihoatra ny 80 taona, mandray vola amin'ny CNaPS. Hiakatra ihany koa ny an'ireo maty vady mbola miasa sy tsy an'asa... ♦ Tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 99%-n'ireo karazana sahona misy eran-tany. Nisy ny “Festival des amphibiens” omaly, nanentanana ny rehetra hiaro ireny karazam-biby ireny...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...