♦ Mitaky ny hanoloana ny rafitra hitondrana ny firenena, ny Antenimiera Ray aman-dreny Foko Malagasy, izay mikarakara fihaonambe eto Antananarivo, mandritra ny roa andro... ♦ Nandany ny volavolan-dalana natolotry ny Governemanta, ahafahana mameno ny efatra amin'ireo tolokevitra lehibe miisa 6, natolotry ny Vondrona iraisam-pirenena, ho an'ny asa ara-bola na GAFI, manova sy mameno ny andininy sasany amin'ny lalàna momba ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana, ny Solombavam-bahoaka...

♦ Vinavinaina ho tanterahina amin'ny volana Marsa 2024 ny fifidianana ben'ny tanàna eto Madagasikara hoy ny mpampakanteny eo anivon'ny vaomieram-pirenena mahaleontena mikarakara ny fifidianana... ♦ Mandany ora telo anaty fitohanan'ny fifamoivoizana amina faritra maro ao an-drenivohitra sy ny manodidina ireo mpampiasa làlana raha ny fanadihadiana natao... ♦ Mankalaza ny faha-120 taona nijoroany ny Ankany fanarenana ireo zaza nania, eny amin'ny Fokontany Mandrosoa, Kaominina Anosiala, Distrika Ambohidratrimo... ♦ Sambany notanterahina tamin'ity taona ity ny kongresy momba ny fanabeazana katôlika ho an'ny Faritra Afrika-Andrefana...

♦ Hamory ireo hery velona sy fikambanana isan-tsokajiny eny amin'ny Live Hotel Andavamamba manomboka androany ary hitohy rahampitso ny Fikambanan'ny ray aman-drenin'ny Foko Malagasy... ♦ Sazy mihatona 2 taona no azon'ny sekretera jeneralin'ny Antoko Tiako I Madagasikara Rina Randriamasinoro, amin'ny 19 desambra ny didim-pitsarana ho an'ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsy milefitra amin'ireo manana heritreritra hanakorotana mandritra ny lanonam-pianianan'ny filoha Rajoelina Andry ny sabotsy ho avy izao ny mpitandron'ny filaminana... ♦ Isany lasibatra amin'ny fanafihana ataon'ny Israeliana ao amin'ny faritra Gaza ihany ny Eglizy Katôlika any an-toerana... 

♦ Tsy hilefitra amin'ireo manana heritreritra hanelingelina ny lanonana fianianan'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, amin'ny sabotsy 16 desambra, ny mpitandro ny filaminana... ♦ Roa taona, sazy mihantona no azon'ny Sekretera Jeneralin'ny antoko Tiako i Madagasikara, Rina Randriamasinoro, tamin'ny didim-pitsarana nivoaka androany, momba ny raharaha nisamborana azy ny 2 ôktôbra 2023... ♦ Hampitombo ny voka-bary ao amin'ny Distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny, ny fahavitan'ny lakan-drano 25 km, hanondrahana ny faritra faha-4 sy faha-5 ary faha-6 ao amin'ny lemak'i Marovoay...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...