♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, nilaza fa vonona indray handray ny fitantanana ny firenena, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana... ♦ Manentana hatrany ny hitondrana am-bavaka ny firenena ny FFKM, ary nilaza fa mbola vonona hatrany hanohy ny fitadiavam-bahaolana... ♦ Tsy hanao fampielezan-kevitra ny vondron'ny kandidà raha tsy misy mivaly ny fitakiany ka nidina an-dalam-be indray omaly. Nanentana ny vahokan'Antsiranana hiaina hatrany ny fitiavana kosa ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina omaly... ♦ Misy fiatraikany amin'ny fahasalamana ara-tsain'ny mponina manodidina ny 1 tapitrisa any Ukraine ny ady iainan'izy ireo hoy ny OMS...
♦ Mbola vonona hanohy ny fampihaonana hitadiavana vahaolana amin'ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Mandalo kihon-dàlana sarotra sy manahirana, hoy ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy, i Madagasikara... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, milaza ny fahavononany indray handray ny fitantanana ny firenena, ny Filohan'ny Antenimeran--doholona, Herimanana Razafimahefa... ♦ Tsy nanao fampielezan-kevitra, fa nanohy ny fidinana an-dalambe teto an-drenivohitra, ny vondron'ireo kandidà...
♦ Lainga ny voalazan'ny filohan'ny Antenimieran-doholona, hoy ny fanambarana ny governemanta ifarimbonana, ka manameloka izany amin'ny heriny manontolo izy ireo... ♦ Ho an'Antananarivo manokana, navoakan'ny teo anivon'ny prefektioran'Antananarivony lisitry ny toerana afahana manao ny fampielezan-kevitra, ka tsy ao anatin'ny afahana manao izany ny eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey... ♦ Tsy handray anjara amin'ny fampielezan-kevitra ny vondron'ny kandidà raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo. Fotoam-bavaka teny Mahatazana teny amin'ny Akamasoa no nanombohan'ny kandidà laharana fahatelo ny fampielezan-kevitra androany maraina...
♦Nilaza indray ny filohan'ny Antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana fa norahonana ho faty izy sy ny fianakaviany mba handà ny andraikitra, maha-filoha mpisolo toerana azy... ♦ Fanehoan-kevitry ny filohan'ny antenimieran-doholona samirery fa tsy an'ny loholona rehetra ny nambaran'Andriamatoa Razafimahefa Herimanana tamin'ny alahady teo hoy ireo loholona 14 omaly hariva... ♦ Hanomboka anio ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny sabotsy 7 novambra 2023 amin'ny misasakalina...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco