♦ Andrasana anio ny fanambarana nandritra ny fampihaonan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa sy ny FFKM tamin'ireo solotenan'ny kandidà teny Tsimbazaza omaly... ♦ Manameloka ny herisetra ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ireo manao fihetsiketsehana am-pilaminana ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ary miantso ny hampitsaharana izany. Tsy ara-dalàna ihany koa hoy izy ny fisamborana solombavambahoaka anatin'ny fivoriana ara-potoana... ♦ Tsy misy afatsy ny fananganana ny fanjakana malagasy vaovao no lalan-tokana mahasoa sy mahatsara ny tanindrazana hoy ny Antenimieran'ny raiamandreny ny Foko Malagasy na ny ARFM...
♦ Nosamborina ary notanana eny amin'ny Borigadin'ny Zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana, ny Solombavam-bahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsy niatrika ary tsy nahatonga solontena tamin'ny fihaonana notarihin'ny vovonana nahitana ny FFKM sy ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena, ny kandidà isany Andry Rajoelina sy Raderanirina Sendrison... ♦ Nanoratra taratasy misokatra ho an'ny teratany Malagasy, ny Antenimieran'ny Ray aman-drenin'ny Foko Malagasy, na ny ARFM, manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny...
♦ Ho tonga ara-potoana manerana ny nosy, hatrany amin'izay tena saro-dalana sy lavitra, ny fitaovana rehetra ilaina amin'ny fifidianana amin'ny 16 nôvambra 2023... ♦ Efa tafaverina any amin'ny ray aman-dreniny ilay zaza nisy nangalatra tany Taolagnaro, olona miisa 5 no voasambotra voasaringotra tamin'izany mitohy ny fikarohana ireo tompon'antoka... ♦ Manohy ny tetikasa fampisitrahana ny taniketsa Indostrialy any amin'ny isan-distrika ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria... ♦ Sokajian'ny sekretera jeneralin'ny ONU, ho fasana ho an'ny ankizy ny any amin'ny Faritra Gaza ankehitriny...
♦ Raha tsy misy ny fiovana dia hotanterahina anio amin'ny 11 ora antoandro eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ny fifampidinihana hiarahan'ny eo anivon'ny FFKM sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'ireo kandidà amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena... ♦ Mijoro ho mpanelanelana eo amin'nireo mpifaninana ara-pôlitika misy ankehitriny, ireo ray aman-dreny efa nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena, nanangana ny atao hoe Vondrom-pirenena mpanelanelana... ♦ Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay olona hita fa voan'ny pesta tany Ambohimahasoa. Efa noraisna ihany koa ny fepetra rehetra tsy hiparitahan'izany...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco