♦ Maro ireo olona efa tonga eo amin'ny Diôsezin'i Morondava handray anjara amin'ny JNA andiany faharoa tanterahina any an-toerana... ♦ Vonona hibata fandresena eo anatrehan'i Maroc izay hifanandrina aminy mandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2024, atao any Kenya ny Barea araka ny nambaran'i Toky Rakotondraibe... ♦ Tapa-bolana mialoha ny fidiran'ny mpianatra eo amin'ny 70% eo ny taha-pisoratana anarana eny anivon'ireo sekolim-panjakàna ao amin'ny fari-piadidim-pampianarana Antanananrivo-Atsimondrano... ♦ Hotanterahina ny 12-13 septambra ho avy izao ao Rome ny fihaonambe maneran-tany ho an'ny firaisan-kina maha-olombelona...

♦ I Maroc no hifanandrina amin'ny Ekipa-pirenena Malagasy Barea, mandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2024 ho atao ny Kenya ny sabotsy izao... ♦ Ilàna fanampahan-kevitra pôlitika sy fahasahiana ny fampiasana Fitsarana Avo (HCJ) raha te hanafoana ny tsy maty manota hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Andro faharoa sady famaranana ny fanadinam-panjakàna ahazoana ny "Certificat d'Aptitude à l'Enseignement dans des Ecoles Primaires" anio alarobia 27 aogositra... ♦ Nanaiky ihany ny hanitarana ny fe-potoam-piasan'ireo tafika misatro mangan'ny firenena mikambana mampandry fahalemana eo anelanelan'i Israely sy Liban ry zareo be kintana...

• Miady dia miady ny lalao baolina kitra eo amin'i Madagasikara sy i Soudan. Lalao manasa-dalana voalohany amin'ny CHAN 2025 tanterahana any Tanzanie... • Ilana fanapahan-kevitra politika sy fahasahiana ny fampiasana ny rafi-pitsarana Fitsarana Avo na ny HCJ, raha te hanafoana ny tsimatimanota, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa... • Nanome lanja ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny Ivon-toerana ibeazana ara-kolontsaina mirindra amin'ny tontolo iainana na ny IIKT, natokana hanabeazana ny olom-pirenena rehetra anavahana, eo ambany fiadidiany...

♦ Anio hariva ilay fotoan-dehibe ho an'ny Barean'i Madagasikara amin'ny lalao ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025. Tsy lalaovina fa tena alaina ho fandresena ny lalao amin'i Soudan hoy ny mpanazatra Maître Rôrô omaly... ♦ Mbola manamafy ny heviny ny KMF/Cnoe fa tokony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fanatsaràna ny lalàm-pifidianana... ♦ Miha-mihena ankehitriny ny velaran'ny farihin'Itasy noho ireo antony samihafa. Miha marivo ihany koa ny halaliny hoy ny tatitry ny sampandraharaha fanajariana ny tany sy tontolo iainana any an-toerana... ♦ Noroahin'i Australie hiala any aminy ny masoivohon'i Iran miasa any amin'ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...