• Natolotry ny fitondram-panjakana ho an'ny FFKM androany, mba hampiasaina amin'ny fikarakarana ny fikaonan-doham-pirenena, ny “Village Voara” eny Andohatapenaka... • Misedra olana goavana noho ny tsy fisian-drano ireo tantsaha any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana, ka nanaovan'Andriamatoa Randriamanantsoa Tabera antso avo amin'ny mpitantanana ny firenena mba handatsahana orana artifisialy... • Efa mirona any amin'ny fidiran'ny mpianatra ankehitriny ny sain'ny ray aman-dreny, na dia mbola ao anatin'ny fialan-tsasatra aza...

♦ Efa vonona tanteraka amin'ny fanaovana tantsoroka ny FFKM ny Minisitera misahana ny Fanavaozana. Hajoro tsy ho ela ny kômity teknika hiara hanomana ny fikaonandoham-pirenena, ka hanana solontena 6 amin'izany ny tanora hoy ny Minisitra Maître Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy miditra amin'ny ady hevitra amin'ny hisafidianan'ny vahoaka ny lalam-panorenana mifototra amin'ny rafitra Federaly sy ny Fanjakàna tokana ny antoko Fy-M. Mbola fanomezana vahana ny zarazarao hanjakàna izany... ♦ Nijoalajoala ny afo alina tao amin'ny tsenan'i Bazary-kely. Potika 90% ity tsena ao Toamasina ity... 

♦ Nofaranana tamin'ny sabotsy teo ny fikaonandohan'ny tanora sehatra Nasiônaly. Natolotra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny fehin-kevitra tamin'ny dinika nandritry ny 3andro. Hodinihana amin'ny Fikaonandoham-pirenena ny hevitra natolotry ny tanora momba ny Fanjakàna Federaly sy Fanjakàna tokana... ♦ Hisokatra amin'ny hery velona rehetra ny dinika pôlitika hotanterahana eto Madagasikara. Santatra ihany ny fihaonana tamin'ny Filoha roalahy teo aloha... ♦ Nampahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fisavàna natao tamin'ny toerana fivorian'ny fikambanana miafina iray ny teo anivon'ny Fitsaràna...

♦ Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny fandaminana ny fikaonandohan'ny tanora natao tety Ivato ireo avy amin'ny Gen-Z, nandray anjara betsaka tamin'ny tolona teto amin'ny Firenena... ♦ Namoraina ny fandoavana onitra ho an'ireo tompon'ny tany sy trano tsy maintsy horavàna noho ny tetik'asam-panjakàna. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakàna momba izay hoy ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Mikarakara fakàn-kevitra isam-paritra ny Vondron'ny Mpanabe Mijoro manomboka tamin'ity herinandro ity, hanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Hitety Faritra izany hetsika izany, atsy ho atsy...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...