• Miandry ny valin'ny fitsirihana atao, ny mety hanesorana na tsia ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA, ary tsy maintsy hirosoana ny fanitsiana ny Satan'ny orinasa, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo androany, raha nihaino ny fangatahan'ireo mpiasan'ny JIRAMA izy... • Natsahatry ny Fitsarana ny fanjehana ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Clémence Raharinirina sy Alban Rakotoarisoa. Tsy tonga nanatrika ny Fitsarana ny mpitory... • Mandry an-driranantsy efa ho taona maromaro izao, ireo tompon-tany ara-dalana mpamboly vary ao an-Tsihanaka, Distrikan'Ambatondrazaka. Manjaka ny fibodoan-tany ataon'ny andian'olona maromaro...
♦ Milaza ny hanapaka ny jiro manerana ny nosy rahampitso ireo sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA manao fitokonana. Mamory ny sasany amin'ireo mpiasa eny Soanierana ny mpitarika nanomboka ny antoandro teo... ♦ Miantso ireo tanora milaza ho diso fanantenana sahady amin'ny fitondràna amin'izao ny KIFAMA mba hahari-pery. Tsy vita ao anatin'ny andro vitsy ny fanarenana ny Firenena hoy ity fikambanana tanora ity, omaly... ♦ Nahafahana nitsitsy vola 2miliara mahery ny fandatsahan'orana artifisialy, raha ny tatitra nataon'ny Ministry ny angovo. Misy hoy izy ny paik'ady hitadiavana ny vahaolana maika ialàna amin'ny fahatapahan'ny herinaratra...
• Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny JIRAMA rahampitso, ka hifamotoana eny Soanierana... • Mbola mitohy ny hetsi-pitakiana ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana ka hetsika roa samy hafa no nataon'izy ireo androany... • Nanamafy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana an'i Madagasikara ny antoko AREMA...
♦ Nosavaina omaly hariva ny trano fonenan'Andriamatoa Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha findraman'ny SMDG vola 11 miliara tao amin'ny CNaPs, nandritra ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo azy... ♦ Tsy misy antony mazava tokony hanalàna ny ben'ny tanànan'Antananarivo amin'ny toerany hoy ny Ilo-Mada. Milaza ho manohana azy, hamita ny fe-potoam-piasàny ity antoko ity... ♦ Mitaky ny hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsôsialy mpiasa ny Fisemare amin'izao fanovàna izao. Tafiditra anatin'izany ny fampiakarana ny latsak'emboka hitombon'ny vola raisina amin'ny fisotron-dronono...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco