♦ Nosokafana tamin'ny Sorona Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa, ny “Chapitre Provincial” faha-11 an'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy... ♦ Tsy hisy intsony ny fifidianana Filoha'ny Antenimieram-pirenena vaovao, fa izay Filoha Lefitra ankehitriny, zokiny indrindra, no misolo toerana vonjy maika, mitantana ity andrim-panjakana ity... ♦ Tsy ny fanolanana no mihamitombo eto Madagasika, fa lasa mihamaro ireo sahy mitory sy mampahafantatra ireny tranga fanolanana ireny...

♦ Andrikitry ny fikambanana Salezianina ny fitaizana sy fanabeazana ary ny fitoriana ny Evanjely ho an'ny tanora, isan'ny nivoitra nandritra ny fanokafana ny “Chapitre Provincial”, nataon'ny Nonce tety Ivato ireo androany... ♦ Velona avokoa saingy nafindra toerana, 48 ora mialoha ny fandalovan'ilay rivodoza Gamane, ireo mponina tao amin'ny tanànan'i Beriziky, any Ambiloha, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC... ♦ Ny 65% an'ny fandaharam-pianarana no efa vita amin'izao roavolana fahatelon'ny taom-pianarana izao, ho an'ny CISCO Antananarivo Atsimondrano...

♦ Tanterahana ety amin'ny “Maison Provinciale” ety Ivato, manomboka anio hatramin'ny sabotsy 6 aprily 2024, ny “Chapitre Provincial” an'ny Fikambanana Salezianina... ♦ Distrikan'Anjozorobe: mamokatra soja 80.000 taonina isan-taona. Nametrahana milina mpanodina ny soja sy ny voanjo ho lasa menaka, any an-toerana... ♦ Fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny firenena Sinoa: handefa mpanao gazety Malagasy hanaraka fiofanana any amin'ity firenena ity isika, hoy ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera...

♦ Nitombo avo roa heny ny isan'ireo niditra teny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona, nandritra ny andron'ny Paka sy ny omaly alatsinainin'ny Paka. Nitombo toa izany koa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny Seraseran'ny HJRA... ♦ Mbola miaina fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina sy an-tsekoly ireo manana toe-batana “autiste”. Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny zon'izy ireo... ♦ “Zandarimaria MAFI”, izay no lohahevitra voizina mandritra ny ny fanamarihana ny Andron'ny Zandarimaria, nanomboka androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...