♦ Ho fiomanana amin'ny Kôngresy Nasiônalin'ny MCCP amin'ny taona 2025, dia nanatanteraka Kôngresim-paritra ny MCCP Arsidiôsezy Avaratra... ♦ Nifanindran-dalana tamin'ny Fitsidihana Pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana tao amin'ny Eglizy Iraka Immaculée Conception Andapa, ny fankalazana ny faha-200 taonan'ny masera Filles de la Charité du Sacré-Cœur de Jésus... ♦ Tafajoro ny 8 desambra tao amin'ny Paroasy Katedraly Masindahy Josefa Ambanja, ny Vondrom-bakaka Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana Immaculée Conception...

♦ Manomboka izao dia afaka misafidy ny andro hankalazana ny JMJ isan-Distrika, ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana: na ny andron'ny Sampankazo, na ny andron'i Kristy Mpanjaka, araka ny fanentanana nataon'ny Evekan'izy ireo... ♦ Nankalaza ny faha-30 taonany ny Oratorio Ivato, omaly alahady... ♦ Nanentana ny rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, mba hikatsaka ny fahanginana, ary hanafaka ny tena amin'ireo zavatra tsy dia ilaina loatra...

♦ Nankalazaina androany ny fetin’i Masina Maria tsy voakasi-pahotana tamin’ny fototra, nandritra izany no namoahana ny andiany Avotra tao amin’ny Centre d’Autonomisation des Femmes, iandraiketan’ny fikambanan’ny Masera FMA Ampasanimalo… ♦ Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona teny amin’ny Episcopat Ambatoroka ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Eokomenisima eto Madagasikara ny 06 sy 07 desambra 2023… ♦ Nitondra ny tenin’ireo tena marefo tsy afaka nanatrika ny COP 28, ny sampana katôlika…

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...