♦ Nankalazaina ny Alahadin’ny Epifania ny andron’ny Ankizy maneran-tany... ♦ Nanasa ny kristianina rehetra mba samy hahatsiaro ny fotoana nanaovana Batemy azy ireo ny Papa François... ♦ Mivavaka hoan’ireo traboina nohon’ny tondra-drano any RDC ny Papa François...

♦ Nitondra ny heviny ny Fivondrondam-ben’ny Eveka eto Madagasikara manoloana ilay fanambarana nataon’i Papa François mikasika ilay taratasy "Fiducia Supplicans"... ♦ Ady tsy misy fiafarana hoan’ny Kristianina ny fiarovana ny finoana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny 03 Janoary 2024... ♦ Nankahery ireo misionera miasa any ambanivohitry LaFrantsa, mba hanohy ny asan’izy ireo hatrany, ny Papa François... ♦ Mila manorina ny tetezan’ny fiadanana isika, hoy ny Papa François, tao amin’ny gazetibokin’ireo Frera Fransiskanina, ny alakamisy 04 Janoary 2024...

Firarian-tsoa sy hafatra avy amin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, noho ny Taona Vaovao 2024.

♦ Nitondra teny firariantsoa hoan’ny Noely sy ny taona vaovao 2024, i Mompera Innocent Bizimana, lehiben’ny fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara sy Nosy Maorisy... ♦ Ny saina voatr’olombelona (Intelligence artificielle) sy ny fiadanana, io no votoatin’ny hafatry ny Papa François amin’ny fankalazana ny andro faha-57 maneran-tany hoan’ny fiadanana... ♦ Tokony hiambina sy hiaro ny fo amam-panahy tsy hirona makany amin’ny faharatsiana isika, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny alarobia lasa teo... ♦ Mbola maro ny fandripahana  ireo tsy manan-tsiny misy eto amin’izao tontolo izao, hoy ny Papa François...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...