Notendren’ny Papa François ho evekan’Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia - Masindahy François de Sales ao Toamasina.

Teraka tamin’ny 13 septambra 1979 tao Morarano-Chrôme, Amparafaravola i Mgr Lalaina. Vao sivy andro monja izy dia natao Batemy tao amin’ny EKAR Masindahy Janvier, Amparamanina. Tao amin’io Eglizy io ihany izy no nandray voalohany ny Eokaristia ny 18 septambra 1988. Niroso tamin’ny Fankaherezana tao Amparafaravola izy ny 25 mey 1994. Ny volana aogositra tamin’io taona io ihany izy no niditra tao amin’ny Seminera Zandriny Masindahy Pierre Ambatondrazaka, ary nanao ny “Année préparatoire” nandritra ny taona iray. Nianatra tao amin’ny Kolejy Masindahy Joseph, Ambatondrazaka i Mompera Lalaina, nanomboka ny taona 1995 ka hatramin’ny 1998, izay nahazoany ny mari-pahaizana Bakalorea Sokajy D. Nanao “stage pastoral” tao amin’ny Distrika Andilamena sy Centre Masimbavy Thérèse tao Andranokobaka Moramanga izy ny taona 1998-1999, nialoha ny nandalinany ny filôzôfia tao amin’ny Seminera Zokiny Antsirabe ny taona 1999-2002.

Tao aorian’izay, nanohy avy hatrany ny fiofanana tamin’ny fandalinana teôlôjia, tany Calabria - Italie izy, ka niroso tamin’ny laharana maha diakra ny 18 septambra 2005, tao San Pantaleo, Reggio Calabria; ary nohamasinana ho pretra tao amin’ny Katedraly Reggio Calabria ny 21 janoary 2006. Tamin’io taona io ihany koa no nahazoany ny mari-pahaizana bakalorea momba ny teôlôjia tao amin’ny Institut théologique Pio XI, tamin’ny lohahevitra hoe: “Le célibat sacérdotal, histoire, motivation, et fondements”. Vikera tao amin’ny Paroasy Masimbavy Marie Madeleine tao Campo Calobro izy ny taona 2006 ka hatramin’ny 2008, fotoana nanohizany ny fandalinana ny teôlôjia, tao amin’ny Université Pontificale Salésienne, ka ny taona 2007 izy no nahazo ny mari-pahaizana Master en Bioéthique et Sexologie.

Voatendry ho Rektoran’ny Seminera Zandriny Masindahy Pierre Ambatondrazaka, sady vikera isaky ny alahady tao amin’ny Distrika Manakambahiny-Andrefana izy ny taona 2008 ka hatramin’ny 2009. Avy eo, niverina tany ampitan-dranomasina ka nanohy ny fianarana tao amin’ny Université Sophia Loppiano - Florence, ary nahazo ny mari-pahaizana momba ny “Fondements et perspectives d’une culture de l’unité discours philosophico-théologique”. Ny taona 2015 no nahazoany ny mari-pahaizana doctorat tamin’ny fanohan-kevitra hoe: “La Synodalité du et dans le Peuple de Dieu aujourd’hui, conscience, Spiritualité et praxis dans l’Église-Famille et Fihavanana à Madagascar”.

Niverina teto an-tanindrazana ny taona 2015 ka voatendry ho mpanabe sy mpampianatra teôlôjia tao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Jean-Marie Vianney ao Moramanga, ka mpitantana am-panahy tao ny 2015 ka hatramin’ny 2018, ary Préfet des études ny taona 2018 kahatramin’ny 2021.

Nanomboka ny taona 2021 ka hatramin’izao dia Rektora sady Préfet des études ao amin’ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia Masindahy François de Sales ao amin’ny Arsidiosezin’i Toamasina izy sady mpampianatra taranja samihafa ao amin’ny Seminera Zokiny ao Moramanga sy Antsirabe, ary ao amin’ny Université Catholique de Madagascar. Efa namoaka miisa 11 i Mompera Lalaina, ary nanoratra lahatsoratra 6 amin’ireo tahirin-kevitra avoakan’ny seminera sy ny Onivetsite Katôlika.

Manoloana izao fanendrena izao dia miarahaba sy mirary soa an’i Mgr Orthasie Lalaina sy ny Diôsezin’Ambatondrazaka ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, entin’i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka.

Izahay eto amin’ny Radio Don Bosco dia miarahaba an’i Mgr Orthasie Lalaina amin’ny iraka ankin’Andriamanitra sy ny Eglizy aminy, ary mirary soa ho an’ny Diôsezin’Ambatondrazaka amin’ny fiainana sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...