31 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)
Amin'ny teny hebrio dia "Sefer tehillim" no anarana nomena sy iantsoana ny bokin'ny Salamo. Ny teny hoe "tehillim" dia azo adika tsotra amin'ny teny malagasy hoe "hira fiderana/tononkira fiderana". Tsy tena mahadika ny Salamo ary tsy tena mahafapo nefa io "tehillim" io satria milaza izay mety ho hira fiderana rehetra na ahoana endriny na ahoana ; ny teny hoe "Mizmor" no midika hoe hiram-pivavahana... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
30 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)
Ny maha Salamo ny Salamo dia noho izy anisan'ny Soratra Masina. Anatin'ny Baiboly dia misy an'ilay teny fampidirana sy fanazavana mialoha ao amin'ny Baiboly miloko mangamanga. Ny Baiboly, ny Katesizin'ny Fiangonana katôlika ary ny katesizin'ny Papa François dia fototra azo hanovozana hevitra mikasika ny vavaka sy ny fiainam-bavaka... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco