Avantana amin'ny Ray amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy ao amin'ny Fanahy Masina ny vavaka. Maneho sy manamafy ny fifandraisan'ny voaary amin'ny Mpahary ary io fiarahan'ny Trinite Masina ao amin'ny vavaka io. Ny lovam-panahy tamin'ny Apôstôly dia mampiharihary fa fototra ao amin'ny vavaka ny fitodiana amin'ny Ray ; loharanom-ptiavana ny Trinité Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

26 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Fitaovam-pifandraisana mahomby sy maharitra ifampiresahan'ny Kristianina amin'Andriamanitra ny vavaka. Ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina anefa no loharanon'izany fifandraisana izany ; fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ny vavaka. Ny ohatra omen'i Jesoa no manamafy fa ny vavaka dia fifandraisana mivantana amin'ilay Ray... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

25 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...