Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka Ekleziastika (Ekl. 27, 4-7)

Aza midera olona alohan’ny nitenenany.

Amin’ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan’ny faikany betsaka;
amin’ny tenin’ny olona koa, no isehoan’ny kilemany.
Ny memy no fizahan-toetra ny sinin’ny mpanao tanimanga;
ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona.
Ny voan’ny hazo no ahafantarana ny tany aniriany;
toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon’ny olombelona.
Aza midera olona alohan’ny nitenenany,
fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 91, 3. 5 ; 13-14 ; 15-16

Tsara ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

Tsara ny mitory ny fitiavanao vao maraina
sy ny fahamarinanao raha alina:
amin-tory folo sy valiha,
amin-kalo arahin-dokanga.

Ny olo-marina mamololona toa antrendry,
misandratra avo toa sederan’i Libàna;
ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry,
an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.

Na antitra aza izy mbola mamokatra,
milenodenoka, be ranon-kazo:
ka maneho fa mahitsy ny Tompo;
ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 54-58)

Andriamanitra manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Ry kristianina havana, rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity,
ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity,
dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe:
Efa noresena ny fahafatesana ka levona.
Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao?
Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao?
Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana;
ary ny Lalàna no herin’ny fahotana.
Hisaorana anie Andriamanitra, Izay nanome antsika ny fandresena,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa amin’izany, ry havako malalako,
aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova,
hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo,
fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-45)

Ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe:

“Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va?
Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra,
fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?
Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe:
‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao?
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao,
izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.
Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra;
fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony;
ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony;
fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...