160 taona izay no nankatoavan'ny Printsy Rakoto (Radama II) fa afaka mitory ny Vaovao Mahafaly ankahalalahana ireo misionera katolika teto Antananarivo. Taorian'ny nahafatesan'ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ny 16 aogositra 1861, izay nanenjika fatratra ny kristianina dia tonga teto Imerina i P. Hubert ny 23 septambra 1861.
Zoma 5 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 14-29
Alakamisy 4 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13
Alarobia 3 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco