Alakamisy 9 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 11-15

Manana anjara toerana sy andraikitra manokana ao amin’ny Tantaram-pamonjena i Joany Batista satria :

  • Izy no mpaminany farany nitondra ny Tenin’Andriamanitra fahatanterahan’ny famonjena nampanantenaina ;
  • Izy no tsipi-panohizana eo amin’ny Testamenta taloha sy vaovao ;
  • Izy no vavolombelona nahita maso sy nanolotra an’i Jesoa Mpamonjy tamin’ny olona niandry ny Mesia ;
  • Ary izy no vavolombelona nahafoy ny aina niaro ny marina izay taratry ny fanjakan’Andriamanitra.

Izany no ieken’i Jesoa hoe izy no lehibe indrindra.

Fa lehibe noho izany ny kristianina tonga zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Io fahatongavana ho zanak’Andriamanitra io dia fahasoavana tapitra ohatra, ambony indrindra. I Joany Batista sy ny mpaminany manko dia nitondra ny Tenin’Andriamanitra, fa ny kristianina kosa dia mitondra ny Tenan’Andriamanitra. Rahefa vonton’ny Tenin’Andriamanitra àry isika ka resy lahatra fa Mpamonjy ianteherana isan’andro i Jesoa Kristy dia aoka hitaona ny olona hanatona ho tonga zanak’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...