29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.

Misy heviny roa ny maha-katôlika ny Eglizy : irahina ho an'ny vahoaka rehetra izy, dia ilay vahoaka eo anivon'izao tontolo izao ankehitriny, sy ilay vahoaka mbola ho avy eto amin'izao tontolo izao. . Afaka mihaona amin'ny kolon-tsaina maro izy nefa tsy mitaona azy hampitovy ny kolon-tsaina rehetra akory izany, io no maha-katôlika azy faharoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.

Fehezan-teny manomboka ny fampianaran'ny Konsily ny hoe : Antsoina ho anisan'ilay vahoaka vaovaon'Andriamanitra ny olona rehetra ; noho izany, io vahoaka io dia sady mijanona ho iray sy tokana, no tsy maintsy itarina eran-tany sy mandavana ny taon-jato rehetra. Ny hampiombona ny olona rehetra no nanirahan'Andriamanitra ny zanany dia i Jesoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...