Fanontaniana tonga ao an-tsaina ny hoe : inona atao hoe masina?. Ny masina dia madio mangatsakatsaka, tsy  misy azo am-pitahaiina aminy, tsy manan-tsahala, lavorary, tokana. Aoka ho masina tahaka an'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Andriamanitra miantso ny rehetra ho amin'ny fahamasinana. Ny olomasina ihany no afaka mihaona amin'Andriamanitra. Ny teny hoe "antso" dia midika hoe "vocation" nakoa hoe "appel" izay avy amin'ny teny grika hoe "Klesis". Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny fanekena ataon'ny relijiozy dia fitadiavana sy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny voady izay hery manampy ny relijiozy tsy ho voafatotry ny fitiavana sy ny fiahian'izao tontolo izao dia hery lehibe hahafahany manao tsara ny iraka. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Ambaran'ny Konsily Vatikana faha-II fa "manambara mialoha ny fitsanganan-ko velona rahatrizay sy ny voninahitry ny fanjakàn'ny lanitra ny fiainan-drelijiozy (LG42). Santatr'izany sahady ny fiainana ny fahavirijiniana mialoha ny fiainana rahatrizay. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...