Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Samy manana fomba hafa hamaritana ny atao hoe "fahombiazana" ny rehetra. Ny fahombiazana dia midika hoe "fandresena" ho an'ny maro, ary misy mari-drefy : marim-pahaizana, haingo amam-bika, eo koa ny fananana. Misy famaritana ankapobeny manao hoe : ny olombelona dia vatana, saina, fo ary fanahy ka raha ireo no tomombana dia azo adika ho fahombiazana...
Isaky ny 04 Febroary no fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny homamiadana, izay aretina mety hafaty raha tsy voatsabo. Ny homamiadana dia aretina azo avy amin'ny fiovan'ny sela ao anatin'ny olombelona, izay mitombo mihoapapana sy tsy voafehin'ny vatana intsony. Ny homamiadana dia miteraka fivontosana ka manimba ny taova misy azy ary mety hiparitaka amin'ny taova hafa. Ny homamiadana dia azo tilina, azo soroina ary azo tsaboina.
Nanao izay ho afany tamin'ny fampandrosoana eny amin'ny tontolo ambanivohitra tany amin'ny Faritra Vakinakaratra ny Vovonana SOAMIARADIA. Vondrom-pikambanana hankalaza ny faha-20 taona nijoroana amin'ity taona 2022 ity.
Fantaro fa tsara noho ny volamena ny fahasalamana aman-toe-tena tsara. Aleo vatana mavitrika toy izay harena tsy hita lany (Ekles 30, 15b). Mila mahay mandanjalanja ny fiatraikan'ny zavatra atao amin'ny fahasalamana.
Niezaka nampandeha hatrany ny famokarana ilofosany ny vehivavy tantsaha eto amintsika na teo aza ny valan'aretina Covid. Tsy namela ny andro eran-tany ho an'ny vehivavy tantsaha nandalo fotsiny izay marihana isaky ny 15 Oktobra moa ny Federasionan'ny Vehivavy Tantsaha Malagasy na ny FVTM. Amin'ny alalan'ny fanehoana ny vokatry ny mpikambana, ny ezaka vitan'izy ireo no anamarihana izany isan-taona.
Voaantson'Andriamanitra hanohy ny fihariana ny mpivady. Adidy masina anatin'izany ny fanabezana ireo taranaka. Araka ny soatoavina hampitain'ny fiangonana : "zaro amin'ny làlana tokony halehany ny zaza.".
Ny fiaraha-monina dia mifototra amin'ny fahaiza-miaina. Amin'ny ankapobeny, nahoana no tsy voaray ny fanabeazana momba ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana eny anivon'ny sekoly. Ny sekoly no isan'ireo sehatra afaka manitsy ny ankizy ara-pitondrantena. Ny ankohonana dia sekoly voalohany, tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana sy fampanajàna ny fitsipi-pifehezana...
Amin'izao taona mialoha ny fifidianana izao dia hilaina tokoa ny manao tsiahy ny andraikitra ny maha-olom-pirenena mba hahafahana mampivady azy amin'ny fampianarana ara-pifidianana. Manoloana an'izany dia ny programa PCE ao amin'ny CA MDG dia efa nanomana hetsika mahakasika ny fandraisana anjara amin'ny maha-olom-pirenena sy ny hay tantana ny taona lasa, izay ahitana lohahevitra lehibe mahakasika ny atao hoe cybercitoyenneté sy ny Transparence&Redevabilité ao anatin'izany. Inona tokoa ary ny mahatonga ny nisafidianana ireo lohahevitra ireo manoloana ny toe-draharaha misy antsika izao?
Ny fahavanonana sy ny hoe maha-olomp-pirenena dia tsy afaka misaraka. Mifameno ireo, tsy ho tomombana ny maha-olom-pirenena raha tsy ao ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Rehefa tonon-taona dia misy foana ny famaritana tanjona sy ny dingana samihafa hatrarana izany. Atao araka izany, ny tomban'ezaka tamin'izay vita nandritra ny taona 2021, ary hapetraka ny tanjona ho amin'ny taona 2022. Ilaina hatrany ny fanaovana tombana mialohan'ny hanatanterahana zavatra hafa sy vaovao. Fandaharana "Ampela Miary", tontosaina eto amin'ny RDB.
Ny Fitaizam-pahasalamana amin'ny lafiny rehetra dia sarobidy satria ny fahasalamana no iankinan'ny fiainana manontolo. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ilaina tandrovina tsara. Ny fahasalamana dia tsy hoe "tsy fisian'aretina" fotsiny ihany, fa azo hadika ho fahatomombanana ara-batana, ara-tsaina, ara-pifandraisana sy ara-tsosialy ihany koa...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco