Niezaka nampandeha hatrany ny famokarana ilofosany ny vehivavy tantsaha eto amintsika na teo aza ny valan'aretina Covid. Tsy namela ny andro eran-tany ho an'ny vehivavy tantsaha nandalo fotsiny izay marihana isaky ny 15 Oktobra moa ny Federasionan'ny Vehivavy Tantsaha Malagasy na ny FVTM. Amin'ny alalan'ny fanehoana ny vokatry ny mpikambana, ny ezaka vitan'izy ireo no anamarihana izany isan-taona.

Nahatsapa ny FVTM fa mihasarotra ny fiatrehan'ny tantsaha ny famokarana ataony sy ny fivelomany tamin'iny taona lasa iny sy ny amin'ity taona ity, noho ny fiatrehana ny Covid sy ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetrandro, ka izay no nahatonga azy ireo nanao antso ho an'ny Fanjakàna sy ny mpiara-miombon'antoka mba hametraka tahirim-bola manokana ho an'ny tantsaha hiatrehana ny fiatraikan'ny Valan'aretina Covid-19 sy ny fiovan'ny toetrandro izay.

Tsy maintsy miatrika ny zava-misy nefa ny FVTM ka nisy ny fiaraha-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka samihafa. Isan'izany ny tany Vakinakaratra... Nanohana ny FVTM tao Vakinakaratra ohatra ny marôkana tamin'ny fiatrehana ny valan'aretina Covid-19. Nisy ny tetik'asa niarahana tamin'ny FOFIFA momba izany. Vokatsoa maro no azo hoy Ramanantenasoa Suzane, mpitarika ny fikambanana.

Nanatsara ny velon-tenan'ireo vehivavy mpikambana tao aminy ny sehatr'asan'ny Federasionan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny 17 taona nijoroany ara-panjakàna. Federasiona nikatsaka hatrany ny fomba hampandosoana ny vehivavy tantsaha amin'ny lafiny maro... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...