Tamin'ny fiaraha-monina Malagasy dia manan-danja ny fanajana sy fitazomana ny teny natao. Beazina ny olona mba hanaja ny teny navoakany. Rehefa manolotena ianao hiriso amin'ny fanapahan-kevitra iray dia lazaina am-bava na atao an-tsoratra mba hampanan-danja ny fanatanterahana azy. Ny fanoloran-tena dia midika fa voakasik'izany ny lafin'ny rehefa maha-olona : vatana, saina, fanahy. Tokony ho fantarina aloha hoe ho vita ve ny teny natao vao ambara, ary tokony ho vokatry ny fo izany fa tsy terena araka ny zava-misy. Ny Mpanabe sy ny ray aman-dreny dia tokony ho môdely amin'ny fanajana ny teny natao, ary tokony hiaiky fahadisoana raha sanatria tsy mahatanteraka izany...

Ny "kyste" dia  fivontosana misy rano. Ny "ovaire" dia taova kely ao anatin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy, ny asany dia mamorona ny atao hoe "ovule" isaky ny tsingerina ary koa mamokatra ny tsirim-panentana (oestrogène, progésterone). Vitsy ny tranga mety hatonga io "kyste" io ho homamiadana. Misy karazany roa io "kyste de l'ovaire" io : ny voalohany dia ny "Kystes fonctionnels" mety hahazo an'ireo vehivavy anatin'ny sokajin-taona afaka miteraka, ny faharoa kyste organique. Ny antony : fikorontanan'ny tsirim-panentana ao amin'ny vehivavy, mety ho vokatry ny fihinana fanafody fanairana ny "ovulation". Ny kyste organique dia tsy azo levonina fa tsy maintsy mandalo fandidiana.

Lalana tsy maintsy diavina ny fahafatesan'ny olona akaiky ary miaina dingana ara-psykôlôjika ny olona iray rehefa misaona. Azo diavina tsara ny fisaonana ary misy 7 ny dingana mety ho lalovana ao anatin'izany. Betsaka ireo fiovana mety hiseho eo amin'ny fomba fisainana sy ny fitondran-tena ary maty ho marobe ihany koa ireo fihetsem-po izay hifamaofao mandritry ny fandalovana amin'ireo dingana ireo. Noho izany, mitaky fahaizana miatrika mahomby ny fiainana ireo dingana ireo ary miankina amin'ny fomba fiatrehana azy no hahatafavoaka na tsia ao amin'ilay fisaonana. Na mafy aza ny fisarahana an-tany dia betsaka ireo azo hatao mba hanana filaminana sy fitoniana anaty, aorian'ny fahafatesan'ny olona akaiky...

Hiroso amin'ny fifidianana any amin'ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny faritra ny eo anivon'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manomboka amin'ity volana nôvambra ity. Tapitra mantsy y fe-potoan-kiasan'ny birao sy ny filan-kevi-pitantanana. Hanomboka ny 20 nôvambra izao ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ka ny tantsaha manana karatra maha mpikambana no afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho an'ny eo anivon'ny kaominina noho miakatra...

Sahiran-kevitra ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary velom-panontaniana hoe : inona teo amin'ny fanabeazana taloha no mbola azo tazomina ankehitriny?. Ny fanabeazana teo aloha dia izay tany ambadiky ny fandrosoana ara-teknolojika sy ny fanatontoloana. Ny tanjon'ny fanabeazana dia ny mba hampaleontena ny beazina. Ny fanabeazana dia fampitana fahalalana sy fahendrena ary fahamarinana. Teo aloha dia ny fianarana ihany no nimasoana fa ny fanatanjahantena sy ny mozika na ny zavatra hafa dia tsy navela nataon'ireo mpianatra, ankehitriny anefa ireny no hanefena ny maha olona an'ireo ankizy. Ireo fitsipi-pitondrantena nahasoa ny teo aloha dia tsara tohizana, mila mihezaka ny ray aman-dreny mba hahitsy amin'ny resaka...

Misy fahasimbana lalan-dra ao amin'ny faritra iray na maromaro ao anatin'ny atidoha noho ny fahatsentsenana na fahatapahan'ny lalan-dra. Misy karazany roa io fahatapahan'ny lalan-dra io : fahatsentsenana mandalo sy ny tapaka tanteraka... Antony mahatsentsina ny lalan-dra dia ireo olona be loatra ny menaka ratsy (cholestérol) ao anatin'ny ra. Ny mahatapaka tanteraka ny lalan-dra dia ny fiakaran'ny tosi-dra tampoka sy mafy. Matetika ireo tranga ireo no miseho amin'ny alina na ao anatin'ny torimaso. Antony hafa : menaka ratsy anaty ra, betsaka ny tahan'ny siramamy anaty ra, ny hatavezana be loatra, ny tsy fanetsehambatana...

Ny tombana natao, tato anatin'ny folo taona farany, dia mpiseho fa ny 40%-n'ny tranga vaovao fahazoana ny tsimokaretina VIH/SIDA dia mahakasika ny tanora 15 hatramin'ny 25 taona eto afrika. Mbola tsy foana ny VIH/SIDA, ka mila hamafisina ny fanentanana satria fanantenana lehibe ho an'ny ho avy ny tanora, dia ilaina ny miady hevitra amin'ny antsipiriany ny VIH/SIDA mba hitandreman'izy ireo sy hiarovana azy ireo.

Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.

Ny safidy no maha tompon'andraikitra. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra ; ny fitaizana dia manomana olona ho tompon-toerana amin'ny sehatr'asa izay misy azy. Raha te-hanamafy ny maha-izay sy ny maha-izy dia manàna safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny maso miloko mena dia fambara fa marary io taova entina mijery io. Ny maha mena ny maso dia misy ra miparitaka ao anatin'ny maso. Saropady ny maso koa raha vao misy tranga mampiahiahy dia entanina hatrany hanatona eny amin'ny mpitsabo. Ny firafitry ny maso dia ahiatana ny sosona nofo manify miisa enina ary ao anatin'izay ihany koa ny lalan-dra, ka io faritra io no misy fahavakisana lalan-dra na fibontsonana. Antony mahatonga ny aretina : fahalotoan'ny rivo sy ny tontolo iainana, fijirena "ecran" ela loatra, tsy fampiasana fiarovana maso amin'ny asa manimba maso, tsy fahampian'ny torimaso...

Mamaha olana amin'ny tsy fahitan'ny tanora asa ny filofosana amin'ny fiompiana. Isan'ny nahazo vokatsoa tamin'izany Andriamatoa Randrianarisoa Lancia. Niainga tamin'ny bitro miisa 5, Andriamatoa Randrianarisoa Lancia, monina ao amin'ny Kaominina Anjepy, distrikan'i Manjakandriana, ankehitriny efa maherin'ny 2.000 isa ny bitro novokariny tao anatin'ny taona vitsy.

Amin'ny fiainana dia atao fomba fanao ny manao jery todika ny zavatra nisy sy nolalovana mba entina hanatsarana ny ho avy. Tsara ny hametrahana ny fanontaniana amin'ny tena : aiza ho aiza ny fiainanao eo anatrehan'ny safidy noraisinao?. Ny fanaovana an'io safidy io araka ny tokony ho izy dia hahatsara ny fiainanao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...