Ny vola sy ny harena ary ny fahefana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra, vokatr'ireo ezaka natao. Ny fahantrana no zary efitra mampisara-bazana ny mpiray tampo sy mpiara-monina. Satria isika mpivahinin'ny fanantenana dia amporisihina ireo rehetra manana vola harena, fahefana mba hamorona asa ho an'ny hafa izay tsy manana fahafahana. Soatoavina tsara ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana ary fifampitokisana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
09 febroary — Raha araka ny fitantaran'i Masindahy Denys, eveka tao Alexandrie, i Apolline dia martiry tamin'ny taona 249, fotana nanjakan'ny Amperora Philippe l'Arabe izay nanenjika fatratra ny kristianina. Tamin'izany fotoana izany, nisy fifanjevona ka nasaina nivoaka ny tranony avokoa ny kristianina rehetra. Novonoina izy ireo rehefa avy nanatrika ny fandrobana ny fananany.
Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa sy ireo Olomasina nanara-dia Azy. Nivavaka lalandava mazoto tamin'ny fanaovana asa soa ary nahay nitsinjo ny hafa. "Aza matahotra!" rehefa mivavaka. Ny Zoma Masina dia tsy maintsy miafara sy misokatra ho any amin'ny Alahadin'ny Paka, porofon'ny fandresena ny ratsy rehetra noho izany dia ilàna faharetana ny vavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
9 febroary 2025 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco