Talata 1 nôvambra 2022 — Ireo Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a
31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.
Tena ilaina eo amin'ny fiainana maha olona ny feon'ny fieritreretana. Ny atao hoe feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra tsy mety diso mibitsika ao amintsika. Matetika anefa izany vonointsika toy ny mamono olona tsy am-piheverana, ny mangalatra sy ny mifanohitra amin'ny didin'Andriamanitra sy ny didin'ny Eglizy. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Alatsinainy 31 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 12-14
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco