Talata 1 nôvambra 2022 — Ireo Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a

Mahatsiaro manokana ireo Olomasina rehetra isika anio ka ny resaka fahasambarana valo no ndeha hojerentsika izao. Làlam-pahasambarana ny làlam-pahamasinana izay iantsoana antsika tsirairay avy. Tian’Andriamanitra ny hahasambatra antsika ary ireto avy ny làlana mila hizorantsika raha te ho tonga amin’izany :

Sambatra isika raha toa ka mametraka an’Andriamanitra hitana ny lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ; izany hoe mametraka ny fitokiantsika aminy tanteraka, fa izany no tiana hambara amin’ilay hoe « fahantrana am-panahy » eto. Marihina anefa fa mitaky fanetren-tena avy amin’ny tsirairay izany.

Sambatra isika raha toa ka tsy malaky manasazy na manameloka ny hafa ; sambatra isika raha toa ka manana faharetana manoloana ny ataon’ny hafa. Malemy fanahy no iantsoana an’izany olona izany.

Sambatra isika raha toa ka mahatsapa alahelo sy fahasorenana noho ny tsy firaharahan’ny sasany ny sitrapon’Andriamanitra ; sambatra isika raha mahatsiaro mijaly vokatry ny famoretana ataon’ny hafa antsika noho isika manaraka ny fandaharan’Andriamanitra eto an-tany hatrany.

Sambatra isika raha toa ka noana sy mangetaheta ny hanatanteraha eo amin’izao tontolo izao ilay faniriam-pamonjen’Andriamanitra.

Antoky ny fahasambarantsika ny fahavonanantsika ny hahatsapa ka hamela ny fahadiosan’ny hafa fa izany no hahafahany hanompo an’Andriamanitra an-kalalahana sy an-kafalliana hatrany.

Sambatra isika raha madio fo ; izany hoe madio fo isika raha toa ka vonona ny hanaiky ny hiaina ny fampianarana kristianina sy vonona ny handray ny tenan’i Jesoa Kristy ; sambatra isika raha miezaka miaina mifanaraka amin’ny Evanjely mandrakariva.

Antoky ny fahasambarana ny fahaizana mampihavana ; izany hoe sambatra isika raha mikatsaka mandrakariva ny hampanjaka ny fiombonanan’ny olombelona rehetra sy ny fiombonan’olombelona amin’Andriamanitra.

Hahatsiaro sambatra isika raha enjehina noho ny fiainantsika ny finoantsika hatramin’izay ka hatramin’izao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...