Ny tanora manoloana ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisanan'ny mpiara-belona : misy ny loza manambana, mitatao, efa mihatra mihitsy aza. Betsaka ny tanora no roboka amin'ny vela-pandrika aroson'ny olona ao amin'ny fitaovam-pifandraisana toy farotra zava-mahadomelina. Ny tanjon'ireo mpamorona ny fitaovam-pifandraisana dia ny handresy lahatra ny maro amin'ny endrika maro lafy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
25 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)
Misy voka-dratsiny ny fivelarana sy ny fandrosoan'ny fifandraisana ankehitriny satria taloha no nisy ny dinika amoro-patana fa amin'izao fotoana izao dia samy maka ho azy. Nihena na foana ny fihaonan'ny mpianakavy, mifandray amin'ny any ivelan'ny tokantrano fa mifanalavitra ara-pifandraisana amin'ny ao an-trano. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
24 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco