7 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)
Sehatra fitantanana ny raharaham-bahoaka ny pôlitika ka hananana tanjona hikatsahana ny soa iombonana hanasoavana ny olona rehetra. Mba hijoro ny fiainana ara-pôlitika tena mendrika ny maha-olona dia zava-dehibe mihitsy... ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana. Ny Eglizy dia fikambanan'ny vita Batemy, mankato ny Papa, izay nomen'Izy Kristy ny fanalahidin'ny lanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
6 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)
Ny atao hoe soa iombonana dia fitambaran'ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra ny fahalavorariany tanteraka. Tsy azo sarahana amin'ny maha olona ny soa iombonana. Mifamatotra amin'ny zo fototry ny olombelona ny soa iombonana. Manana adidy ny isam-batan'olona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco