9 nôvambra 2023 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fankalazana — Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-22)
Sady olom-pirenen'ny tany no olom-pirenen'ny lanitra ny Kristiana ka amporisihin'ny Konsily an-tsakany sy an-davany ny adidin'izy ireo amin'ny ara-nofo, tarihin'ny hevitry ny Vaovao Mahafaly. Diso izay mihevitra fa mahazo manao tsirambina ny adidiny ara-nofo satria tsy manam-ponenana raikitra eto an-tany, fa mandeha manatona ny fiainan-ko avy ; tsy tsinjony fa ny finoana mihitsy no mametraka adidy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
8 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)
Ao amin'ny Eglizy, manana toerana lehibe ny fianakaviana araka ny fomba fiteny efa mahazatra antsika hoe ny fianakaviana dia Eglizy kely ao an-tokantrano. Sarobidy eo imason' Andriamanitra ny fianakaviana satria teo amin'ny tantaram-pamonjena, fianakaviana tao Nazareta no nidiran'ilay Olona faharoa amin'ny Trinite Masina ka nanatanterahiny ny Mistery Fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco