Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 29-36)

Nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.

Ry kristianina havana,
tsy misy anenenana ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny
mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny tsy naneken’ireo sasany amin’i Israely,
dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra
tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.

Endrey,
lalina tsy manam-paharitana
ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra,
tsy azo takarina ny fitsarany,
ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
Sa iza no nanome Azy aloha,
mba hahazoany valin’izany?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.
Eny,
Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 30-31. 33-34. 36-37

Mivavaka aminao aho, ry Tompo.

Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa,
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.

Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.

Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna sy hanangana ny tanànan’i Jodà:
ka hisy mponina indray ao, izay hivolon-ko tompony tokoa!
Ny taranaky ny mpanompony no handova;
izay tia ny Anarany no honina ao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)

Aza ny sakaizanao no antsoina fa ny mahantra sy ny kilemaina.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe:

“Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao,
aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao,
na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina,
fandrao asain’ireo koa ianao
ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Fa raha manao fanasana ianao,
ny mahantra,
ny kilemaina,
ny mandringa,
ny jamba,
no asao:
dia ho sambatra ianao,
satria tsy mba manan-kavaly anao ireo;
fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina
vao hovaliana ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...