Vakiteny voalohany
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 5-16a)
Mifampirantsam-batana isika.
Ry kristianina havana,
tena iray ao amin’i Kristy isika,
na dia maro aza;
ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy.
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika
araka ny fahasoavana noraisintsika avy,
ka raha faminaniana izany,
dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;
raha fandraharahana,
dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana;
itý moa nandray ny fanomezana hampianatra,
aoka izy hampianatra;
itsy kosa ny fanomezana hananatra,
dia aoka izy hananatra;
ny iray mizara,
ka aoka hanao izany amim-pahatsorana;
ny iray kosa mitondra,
ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana,
ary ny hafa koa manao asa fiantrana,
dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy,
ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana,
dia aza mitaredretra,
fa mbà mafana fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana,
ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olo-masina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo;
misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly,
ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra: aza miavonavona,
fa mifandraisa amin’ny iva toetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 130, 1. 2 sy 3
Tahio am-piadanana ho eo anilanao ny fanahiko, ry Tompo.
Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,
ka ny masoko mijery, tsy mianjona.
Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko;
ireo avo tsy sahaza halaviriko.
Afa-diana ny fanahiko: mamitsaka,
toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny.
Matokia ny Tomponao, ô ry Jakôba ô,
hatrizao sy amin’ny taona tsisy fetrany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)
Mandehana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.
Tamin’izany andro izany,
nony avy nandre ny tenin’i Jesoa ny anankiray tamin’izay niara-nihinana taminy,
dia nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Sambatra lahy izay hanana anjara amin’ny fihinanam-be
any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”
Fa hoy Izy taminy:
“Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe
ka nanasa olona maro.
Nony tonga ny fotoana fisakafoana,
dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe:‘Ndeha ianareo,
fa efa vonona ny zavatra rehetra.’Fa samy niala tsiny izy rehetra.
Hoy ny voalohany taminy:‘Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy;
koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.’Hoy kosa ny faharoa:
‘Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy;
koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.’Ary hoy koa ny anankiray:
‘Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.’
Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin’ny tompony.
Tezitra tamin’izay ny tompony
ka nanao tamin’ny ankizilahiny hoe:‘Mandehana faingana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna,
ka ento mankatý ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.’Ary hoy ilay ankizilahy:
‘Tompoko, vita ny nasainao atao,
nefa mbola misy fitoerana ihany.’Dia hoy ny tompo tamin’ilay ankizilahy:
‘Mandehana mankeny amin’ny lalam-be sy ny fefim-boly,
ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.’Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafo
amin’ireo olona nasaina ireo na dia iray aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.