♦ Fitoriana mahakasika ny hosoka, ny fanaovana herisetra, mikasika ny lisi-pifidianana no nataon'ireo kandidàn'ny Firaisankina roa lahy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, androany... ♦ Mangataka ireo ray aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana mba hitarika ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fanorenana ifotony, ny fikambanana ACS, ivondronan'ireo Senatera sy mpikamban'ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha...
♦ Kandidà roa avy amin'ny Vovonana Firaisankina no miakatra fitsarana raharaham-pifidianana eny amin'ny HCC, nanomboka ny antoandro teo. Tomefy olona ny efitranom-pitsarana eny an-toerana... ♦ Miakatra fampanoavana ao Antsirabe androany ireo olona roa notazonin'ny zandary, noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Iray amin'ireo natolotra ny fampanoavana ny lehiben'ny sampana informatika eo anivon'ny CED Faratsiho... ♦ Homarihina rahampitso sy ny alahady izao ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...
♦ Hiakatra fitsarana eny amin'ny HCC Ambohidahy anio, ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho... ♦ Nangataka ny hanafoanan'ny HCC ny fifidianana Solombavam-bahoka farany teo ny RMDM. Tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato ka tsy nahomby tamin'ny fikarakarana ny CENI, hoy ny Rodoben'ny mpanohitra... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo ny tarika Sahondrafinina Zanany, mpanao Hira Gasy. Mpikambana iray ao amin'ny tarika no namoy ny ainy...
♦ Tapitra androany ny fe-potoana nahafahana nametraka fitoriana teny amin'ny HCC. Miantso ireo mpitsara tsy hampiady ny Malagasy, fa hijery ny tombontsoam-pirenena, ny antoko Vonona Hijoro ho an'i Madagasikara... ♦ Tokony hofoanan'ny HCC ny voka-pifidianana Solombavam-bahoka teo, hoy ny RMDM androany. Nambaran'ny Rodoben'ny mpanohitra fa tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato, ka tsy nahomby ny CENI tamin'ny fikarakarana... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo androany ny Tarika Sahondrafinina Zanany. Mpitendry lokanga iray ao amin'ny tarika no maty noho ny ratra nahazo azy...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco