• Nifanipa-kevitra ireo Solombavam-bahoaka, momba ny raharaham-pirenena. Nilaza ny hisokatra amin'ny hery rehetra ireo depiote manohana ny fitondrana, amin'ny fanendrena ny Praiminisitra. Nitsipaka izany ny mpanohitra... • Tafajoro androany ny Komity Mpandrindra ny Tolona, hitarika ny fitakiana an-dalambe nisy tato anatin'ny herinandro. Mangataka ny hanokafana ny Kianjan'ny 13 mey ireo mpanakanto sasany... • Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha ireo mpiasan'ny fahaslamana anatin'ny sendika TRIADE, amin'izao. Roa andro androany izy ireo no nanao “sit in” eny anoloan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...