♦ Namoaka ny andiany faharoa nisalotra ny anarana "Voromahery" ny Institut Supérieur Saint Thomas d'Aquin tantanan'ny Saleziana Don Bosco any Fianarantsoa... ♦ Hatsaraina ny fitantanana ny loza sy ny tandin-dondoza, ka hisy ny fandraisana fepetra amehana mandritra ny fotoan'ny hisehoan'ny loza... ♦ Hanao hetsika filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara ireo tanora Malagasy am-pielezana miisa 10, tafiditra anatin'ny tetik'asa Loharano... ♦ Miha mafy ny disadisa misy eo amin'ny Corée Atsimo sy Corée Avaratra, nisy miaramila Kôreana Tavaratra saika hiditra an-keriny tao amin'ny sisin-tany mampisaraka ny firenena roa tonta omaly... ♦ Olona miisa 30 indray no namoy ny ainy omaly tany amin'ny faritr'it Gaza...

♦ Mahatratra 8 miliara Dolara ny trosan'i Madagasikara akehitriny, raha ny fantatra nandritra ny latabatra boribory androany teny amin'ny UCM Ambatoroka... ♦ Miisa 70.000 ireo horonan-tsary mamoafady nataon'ny ankizy Malagasy, miparitaka any amin'ny tambazotran-tserasera any ivelany, raha ny nambaran'ny fiarahamonim-pirenena misahana ny fiarovana ny zon'ny ankizy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa, ny Randrana Sendikaly...

♦ Nanamafy ny hiady ho an'ny demôkrasia ny MMM, eo anivon'ny IDC Afrika, nandritra ny fivoriana natao tany Paris... ♦ Nanomboka nitondra mpandeha androany, ny fitaterana an-tariby na ny TPC Anosy-Soarano... ♦ Andro vitsy tao aorian'ny fitokanana ny MIAMI ao Toamasina, misy ireo mpivarotra velon-taraina ary nilaza ho diso fanantenana ka mikasa ny hamerina ny fanalahidy amin'ny toeram-pivarotany ao amin'ny Village Kiosque Miami...

♦ Nibaribary ny fampandresena kandidàn'ny fitondrana sy ny fitsabahan'ny Minisiteran'ny Atitany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka teo, raha ny tatitry ny KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenana... ♦ Hisitraka telo andro fialan-tsasatra ireo raim-pianakaviana ao aorian'ny fahaterahan'ny vadiny, raha araka ny tinapaky ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza omaly... ♦ Hita faty teto Antananarivo, rehefa tsy nandrenesam-baovao tao anatin'ny tapabolana, ny Mpitsara ambony mpampanoa eo anivon'ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...