♦ Lasa raharahan'ny samy mpanam-bola ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, amin'ity taona ity, hoy ny Antoko VHT. Nampakarina ho  20 tapitrisa Ariary, anto-bolan'ireo kandidà, araka ny tapaky ny Governemanta... ♦ Nikatona ny biraon'ny CNaPS rehetra nanomboka androany, noho ny fitokonan'ny mpiasa. Mbola tsy hanao afa-tsy fiandrasan-draharaha anatiny izy ireo rahampitso... ♦ Efa manomboka miverina ny rano amin'ny faritra iva, taorian'ilay fahatapahana tamina toerana maromaro teto an-drenivohitra...

♦ Manaraka akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ny IDC-CDI, fikambanana iraisam-pirenena miara-miasa amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mbola betsaka ireo fanamby miandry an'i Madagasikara amin'ny lafiny demôkrasia hoy izy ireo... ♦ Mikasa ny hanondrotra saran-dalana ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fitanterana amin'ny zotra nasiônaly sy ireo filohan'ny Kaoperativa. Nisy ny dinika nataon'izy ireo ka manodidina ny 10% izay fisondrotana izay... ♦ Niakatra ny taham-pahafahana fanadinana CEPE manerana ny nosy, farany teo. Nahatratra 76% izany tamin'ity taona 2023 ity... ♦ Lasibatry ny ora-mikija ny faritra avaratr'i Inde. 60 mahery no maty vokatry ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany...

♦ Tsy hanova ny tanjona efa napetraky ny CENI amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny fihenan'ny vola ho ampiasainy... ♦ Ho entina amin'ny fihaonambe nasiônalin'ny FFKM izay hatao eto Antananarivo ireo angon-kevitra voarainy avy amin'ireo mpisehatra pôlitika... ♦ Nilaza omaly ireo mpiasan'ny CNaPs fa misy ny tsindry amin'ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovao. Hikatona moa ny CNaPs manerana ny nosy anio alakamisy... ♦ Nifarana omaly ny fihaonana an-tampon'ny OTAN notanterahana tany Vilnius any Lituanie. Diso fanantenana ny filoha Ukreniana volodymyr Zelensky...

♦ Tsy hanova ny tanjona efa napetraky ny CENI amin'ny fikarakarana ny fifidianana, ny fihenan'ny vola hampiasaina... ♦ Ho entina amin'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny FFKM, izay hatao eto Antananarivo, ireo angon-kevitra voarainy avy amin'ireo mpisehatra pôlitika... ♦ Nilaza ireo mpiasan'ny CNaPS androany, fa misy tsindry amin'ny fanendrena izay ho Tale Jeneraly vaovao. Hikatona ny CNaPS manerana ny nosy rahampitso alakamisy...

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...