♦ Raikitra ny fisamborana sy ny haza-lambo, ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika an'Anjozorobe, efa nisy tamin'ireo tompon'antoka tamin'ny fakana takalon'aina no voasambotra... ♦ Hirotsaka ho kandidà Ben'ny Tanàna ho an'i Toamasina ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Tsy maintsy harenina ny korotana ao amin'ny renivohitr'i Betsimisaraka hoy izy... ♦ Hametraka fomba fijery vaovao ho entina mampandroso ny firenena sy ny tontolo ambanivohitra ny Sendikà Injeniera misahana ny fambolena sy ny fiompiana...
♦ Mbola tsy misy fihenany ny isan'ireo vehivavy tratry ny aretina mamany-lava mandalo fandidiana eny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona. Vehivavy 1/20 no mahazo fitsaboana eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena tany Toamasina fa maimaimpoana ny saram-pisoratana anarana ho an'ny ankizy marefo any amin'ny sekolim-panjakàna manerana ny nosy... ♦ Miampy 9 isa indray ireo mpilatsaka an-tsitrapo "Peaces Corps" nahavita fianianana hiasa amin'ny Faritra miisa 7 eto Madagasikara. Hampianatra eny amin'ny Lycée sy ny Sekoly ambaratonga faharoa no andraikitr'izy ireo...
♦ Nanome baiko hamongotra ny fakana ankeriny Malagasy ao amin'ny Distrikan'Anjozorobe ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina. Lehilahy miisa 5 no maty novonoin'ireo mpaka takalon'aina tao Marotsipoy... ♦ Mitokona nanomboka omaly ireo mpiasan'ny sampandraharahan'ny famantarana ny toetry ny andro. Tapitra tamin'ny alarobia teo ny 72 ora nitakian'izy ireo ny fametraham-pialan'ny tale jeneraliny... ♦ Voafidy hitantana ny tranoben'ny tantsaha mpamokatr mandritra ny dimy taona ho avy indray, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline. Natao teny Nanisana omaly ny fifidianana ho an'ny birao mpitantana nasiônaly... ♦ Andro fahatelo nanafihana nytany avaratr'i Cisjordanie omaly, ny miaramila Israeliana...
♦ Mampitandrina ireo mpiara-dia amin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, ny fikambanana Vondron'ny Malagasy manohana ny Filoha, mba tsy hifanilikilika... ♦ Tao aorian'ny Forum Afrikana ho an'ny infirmiera natao teto amintsika dia voaasa handray anjara amin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenen'ny ECSA-CONM faha-16, isika Malagasy... ♦ Voafidy indray hitantana ny Tranoben'ny Tantsaha Nasiônaly mandritra ny dimy taona ho avy, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco