♦ Miisa 24 ny Eveka amperin'asa mandrafitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Nohamasinina ho Eveka, omaly, Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste, notendren'i Papa Léon-XIV, ho Eveka mpanampy ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nahatratra 5 taonina ny fako voahangona nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny fanadiovana ny planeta notanterahana teny Tanjombato sy ny manodidina ho an'ny teto Antananarivo. Azo avadika ho akora vaovao indray ny fako plastika voahangona... ♦ Nitsidika toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo ny faran'ny herinandro teo...
♦ Baraingo mipetraka ny ho tohin'ny fikasan'i Clémence Rahariniriana sy Alban Rakotoarisoa hanao hetsika eny Ambohijato amin'ny alakamisy izao... ♦ Tsy marina ary tsaho ny feo mandeha hoe misy asidra ny rano any amin'ny faritra atsinanana... ♦ Notanterahina teny amin'ny kaominina Tanjombato nanomboka androany ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny fanadiovana... ♦ Miomana hatrany amin'ny fanafihana ny renivohitra Gaza ny tafika israeliana amin'ity sabotsy ity...
♦ Arahi-maso ara-pitsarana ary miandry ny fotoam-pitsarana amin'ny 30 septambra i Alban Rakotoarisoa sy Clémence Rahariniriana, izay nanaitra ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mbola mitohy mandraka ankehitriny... ♦ Maro ireo ambana mahazo ny sokatra an-dranomasina sy ny ahi-dranomasina any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara ka arovana ao anatin'ny tetik'asa ARO FANO... ♦ Nisy indray ny fanohitohinana sy fanilikilihana ireo mpanao gazety teny Mahamasina, raha toa ka mbola tsy nandrenesana tohiny ilay tranga teny Anosikely... ♦ Nanao fanambaràna amin'ny fisian'ny fiaramanidina manitsaka ny habakabaka Estoniana i Rosia...
• Miompana amin'ny fanofanana ny tanora sy ny mpampianatra, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao, eo amin'ny sehatra teknolojika ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ary ny Huawei Madagascar... • Nahafahan'ireo vondrom-paritra eto Madagasikara nifampizara traikefa sy fahaiza-manao, amin'ny fitantanana ny Faritra sy ny Kaominina misy azy, ilay fikaonan-doha momba ny fiara-miasa mahakasika ny vondrom-paritra teo amin'i Frantsa sy i Madagasikara... • Tsy tokony atao ho sakana amin'ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona, ny tsy mbola fahafenoan'ireo mpifidy vaventy izay tokony handray anjara amin'ny fifidianana, hoy ny Ben'ny Tanana iray...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco