♦ Milaza ny hanapaka ny jiro manerana ny nosy rahampitso ireo sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA manao fitokonana. Mamory ny sasany amin'ireo mpiasa eny Soanierana ny mpitarika nanomboka ny antoandro teo... ♦ Miantso ireo tanora milaza ho diso fanantenana sahady amin'ny fitondràna amin'izao ny KIFAMA mba hahari-pery. Tsy vita ao anatin'ny andro vitsy ny fanarenana ny Firenena hoy ity fikambanana tanora ity, omaly... ♦ Nahafahana nitsitsy vola 2miliara mahery ny fandatsahan'orana artifisialy, raha ny tatitra nataon'ny Ministry ny angovo. Misy hoy izy ny paik'ady hitadiavana ny vahaolana maika ialàna amin'ny fahatapahan'ny herinaratra...

• Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny JIRAMA rahampitso, ka hifamotoana eny Soanierana... • Mbola mitohy ny hetsi-pitakiana ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana ka hetsika roa samy hafa no nataon'izy ireo androany... • Nanamafy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana an'i Madagasikara ny antoko AREMA...

♦ Nosavaina omaly hariva ny trano fonenan'Andriamatoa Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha findraman'ny SMDG vola 11 miliara tao amin'ny CNaPs, nandritra ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo azy... ♦ Tsy misy antony mazava tokony hanalàna ny ben'ny tanànan'Antananarivo amin'ny toerany hoy ny Ilo-Mada. Milaza ho manohana azy, hamita ny fe-potoam-piasàny ity antoko ity... ♦ Mitaky ny hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsôsialy mpiasa ny Fisemare amin'izao fanovàna izao. Tafiditra anatin'izany ny fampiakarana ny latsak'emboka hitombon'ny vola raisina amin'ny fisotron-dronono...

♦ Vita ny fandikan-teny vaovao ny Baikoly Masina Katôlika. Natolotra sy nampahafantarina omaly teny Antanimena izany Baiboly vaovao izany, izay niavaka tamin'ny natonta hatramin'izay... ♦ Hanangona porofo fiampangàna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ny Fanjakàna Malagasy, manoloana ny raharaha hanenjehana azy atsy Maorisy. Nanazava ny momba izay ny ministry ny fitsaràna ny sabotsy  teo... ♦ Mpandraharaha teratany vahiny roa no voasambotra niaraka tamina vola 2 miliara Ariary, saika entina hanongànana sy hamonoana ny filoham-panjakàna. Naharitra ora 12 ny fisavàna, nahatrarana ireo olona sy volabe ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...