♦ Nidina an-dalambe indray omaly ny mpianatry ny ny Oniversiten'i Toliara sy Fianarantsoa. Olona iray no maty tany Toliara noho ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana... ♦ Valan'aretina Covid-19, tranga vaovao 32 no hita tamin'ny fitiliana 600 ny talata teo. Teto amin'ny faritra Analamanga ny 23 tamin'ireo. Iray no lavo... ♦ Nikarakara lohabary an-dasy, ranty boky ny trano fivarotam-boky Md Paoly eny Analakely-Antananarivo ho fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy...
♦ Mbola hitohy ny hetsika nataon'ny mpianatry ny Oniversite androany. Roa no voasambotra tao Fianarantsoa, voalaza fa nisy olona iray maty kosa tany Toliara... ♦ Tsy eto an-tanindrazana hatramin'ny alahady ho avy izao ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Hanatrika ny sakramentan-janany izy raha ny fanampim-baovao voaray...
♦ Ho dinihan'ireo loholona mandritra ny fivoriambe azon'ny be sy ny maro atrehina, anio, ny volavolan-dalàna momba ny fametrahana ny faritra faha23 eto Madagasikara... ♦ Niafara tamin'ny faharatrana olona 12 sy fisamborana olona 09 ny fifandonana teo amin'ny mpianatry ny Oniversiten'i Maninday sy ny mpitandro filaminana. Namory ny ministry ny toe-karena sy ny ministry ny fampianarana ambony ny Praiministra ho famahana ny olana... ♦ Nanao fifanarahana fiaraha-miasa ny orinasa jirama sy ny Green Yellow Madagascar, hanitarana ny foibe famokarana herinaratra ao Ambatolampy...
♦ Vita ny 90% amin'ny fanamboarana ny kianja Barea ao Mahamasina. Ao no handraisana ny fetim-pirenena sy hanaovana ny matso amin'ny faha 26 jona ho avy izao... ♦ Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny antony nahafaty an'i Menndrika tovolahy 15 taona, nonina tety Ivato ny mpiara-monina. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny fitondram-panjakàna... ♦ Notontosaina omaly ny fanadinana CEPE Katôlika manerana ny nosy, ho fanehoana ny maha izy azy ny sekoly katôlika no tanjona hoy ny DINEC...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco