♦ Miakatra indray ny isan'ireo olona tratran'ny Coronavirus, eto Madagasikara... ♦ Manjavozavo ny fihazakazahan'ny mpitondra fanjakana, nametra fitoriana tamin'ilay raharaha volamena tratra tany Afrika Atsimo... ♦ Hisitraka EPP manara-penitra telo ny ao amin'ny Kaominina Ambohidratrimo...

♦ Nihaona tamin'ny solontenan'ny masoivohon'i Afrika Atsimo eto Madagasikara, teny amin'ny birao fiasany eny Anosy, ny lehiben'ny diplômasia Malagasy, Tehindrazanarivelo Djacob, momba ilay volamena milanja 73,5kg... ♦ Hanome fanampiana ho an'ireo malagasy tratran'ny kéré any atsimon'ny nosy ny firenena indiana. Ho tonga eto Madagasikara amin'ny volana febroary izany fanampiana izany... 

♦ Feno 100 taona ny seminera zandriny eny Ambohipo. Sorona Masina no nanombohana ny fankalazàna omaly... ♦ Niampy 05 indray ireo olona namoy ny ainy vokatry ny valan'aretina avy amin'ny Covid-19 teto Madagasikara, raha ny isa azo teo anelanalan'ny 02 janoary hatramin'ny 08 janoary lasa teo. 96,92% no taham-pahasitranana...

♦ Niaiky ny ministry ny fanabeazam-pirenena fa mbola misy ny olana amin'ny fanabeazana eto amintsika ary tsy lavorary ny paik'ady nampiharina amin'ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna... ♦ Nanatitra fitarainana teny amin'ny Bianco sy ny Pac mahakasika ilay raharaha volamlena 73,5kg androany ny antoko politika Madio... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...