♦ Afaka manatrika ny matso lehibe eny Mahamasina ny vahoaka Malagasy amin'ny 26 jona fa tsy maintsy manana tapakila. Tsy hisy anefa ny afomanga... ♦ Efa miroso amin'ny fametrahana lamina sy fepetra ho an'ny filaminana sy ny fandriampahalemana anatin'ny kianjan'i Barea eny Mahamasina sy ny manodidina ny mpitandro filaminana... ♦ Manodidina ny iray taonina isan'andro ny fako vokatry ny fitsaboana ny coronavirus nandritra ny vanim-potoana nampamaivay azy ka nisy ny atrikasa ho fitadiavam-bahaolana hifehezana ny fako... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...