♦ Nolavin'ny prefen'Antananarivo ny fangatahan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijatovo anio... ♦ Varavarana iray fivoahana sy fidiran'ny olona an-tsokosoko ary famoahana an-tsokosoko ny harem-pirenena ny ranomasina ka tsy maintsy averina ny hasin'ny tafika an-dranomasina malagasy... ♦ Nafindra ary notanana any amin'ny fonja miafina ilay lehiben'ny mpanohitra russe Alexeï Navalny...
♦ Nolavin'ny Prefen'Antananarivo ny fikasan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijato rahampitso sabotsy tontolo andro... ♦ Handray fepetra, ary nilaza androany ny EMMONAT fa tsy matahotra ny hisambotra na iza na iza manoloana ny fikasana hamory vahoaka amin'ny toerana tsy nahazoana alalana...
♦ Efa mandeha ankehitriny ny fanadihadiana ara-tontolo iainana, hanatanterahana ny zotra roa fanombohana ny tetikasa "Transport par cable", ao Antananarivo Renivohitra. Tetikasa ho vita ao anatin'ny roa taona... ♦ Nanamafy ny Minisitry ny fitantanam-bola fa mizotra tsara tsy misy olana ny fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'ireo mpamatsy vola eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena...
♦ Raikitra ny fifandonan'ny samy mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Maninday any Toliara androany. Niteraka faharatran'ny sasany amin'izy ireo ny tsy fitovian-kevitra amin'ny fitakiana ny vatsim-pianarana mbola tsy voaloa... ♦ Misy mpianatra vitsivitsy mararin'ny Coronavirus koa eny amin'ny Université Polytechnique Vontovorona. Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra ny Filohan'ny mpianatra, manoloana izany...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco