♦ Nidina an-dalambe indray omaly ny mpianatry ny ny Oniversiten'i Toliara sy Fianarantsoa. Olona iray no maty tany Toliara noho ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana... ♦ Valan'aretina Covid-19, tranga vaovao 32 no hita tamin'ny fitiliana 600 ny talata teo. Teto amin'ny faritra Analamanga ny 23 tamin'ireo. Iray no lavo... ♦ Nikarakara lohabary an-dasy, ranty boky ny trano fivarotam-boky Md Paoly eny Analakely-Antananarivo ho fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy... 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...