♦ Fotoana manan-danja ho an'ny Fiangonana maneran-tany ny fankalazana an'i Jesoa Kristy eo anivon'izao tontolo izao ao amin'ny Eokaristia, omaly. Fotoana nitsofandrano  ny tanàna amin'ny alalan'ny sakramenta Masina... ♦ Hapetraka eny akaiky ny tanàna vaovao Tanamasoandro ny akademiam-pirenena avo lenta momba ny fanatanjahan-tena ho fanofanana ny tanora malagasy... ♦ Roa ny olona namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus, teto Madagasikara, ny sabotsy teo, niisa 104 ireo sitrana... 

♦ Mbola tsy tafiditra anaty lahadinika eny anivon'ny antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2021 na ny LFR. Mitaky ny hametrahana sy hanapariahana ny LFR ny CCOC... ♦ Tsy mihatra ary tsy voahaja eny anivon'ny orinasa ny fepetra nambaran'ny mpitondra amin'ny mbola tsy tokony hiasan'ireo olona marefo ara-pahasalamana... ♦ Hiasa mialoha ny 26 jona fetim-pirenena ireo "Bus classe". Tsy miova ny saran-dalana izay efa napetraka tany am-piandohana... 

♦ Tokony hitàna ny teniny ka hanaiky an'Andriamatoa Ravalomanana Marc ho filohan'ny mpanohitra ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina, hoy ny RMDM... ♦ Angatahan'i Afrika-Atsimo ny pitsopitson-dalàna malagasy mialoha ny hanapahany hevitra amin'ny hamerenana na tsia eto Madagasikara ilay volamena 73,5kg... ♦ Feno dimy taona anio ny nahafatesan'i Om-gui tao amin'ny tarika Ny Ainga... 

♦ Notsipahan'ny RMDM ilay lalàna vaovao mifehy ny mpanohitra vao nolanian'ny Parlemanta farany teo. Nanao fanambarana teny Bel-Air izy ireo androany, nilaza fa tsy manaraka ny voalazan'ny Lalam-panorenana io lalàna io... ♦ Nisokatra manomboka androany ny fitaterana olona amin'ny zotra nasiônaly sy zotram-paritra. Nananika ny 5000 isa ireo mpandeha niainga ho an'ny teny amin'ny Gare Maki Andohatapenaka fotsiny...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...