♦ Efa neken'ny Firenena Mikambana fa an'i Madagasikara ireo nosy manodidina, ka fahadisoan-kevitra ny filazana ny mbola fitakiana ireo nosy ireo, hoy ny Profesora Raymond Ranjeva... ♦ Tranga roa na telo isan-kerinandro no tra-tehaka mahakasika ny didy hosoka eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo. Nisy didim-pitsarana hosoka tratra indray androany...
♦ Faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny no misedra olana amin'ny fahazoana rano fisotro madio. Isan'izany ny any Fianarantsoa. Ny fanovana ny toe-tsaina hiaro ny tontolo iainana no vahaolana maharitra hoy ny depiote Seth Rajoelina... ♦ Ahiana hihotsaka indray ireo vatobe atahorana eny amin'ny manodidina ny vohitr'i Manjakamiadana ao Antananarivo Renivohitra. Fokotany enina no voakasik'izany...
♦ Mijoro ankehitriny ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka. Hetsika mifanandrify amin'ny tsingerin-taona nahaterahan'ity Filoham-pirenena teo aloha ity, androany 4 novambra... ♦ Mitaraina ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara amin'ny fantiantok'ireo orinasa malagasy mpamokatra savony. Miombon-kevitra amin'ny fampakarana ho 20% ny haba alaina amin'ny fanafarana bolabolan-tsavony izy ireo, araka ny voalazan'ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021...
♦ Olona miisa valo no efa voasambotra manoloana ny vonon'olona miisa roa izay nitranga tany amin'ny distrika Mahabo... ♦ Efa nanomboka androany ny fahafahana misitraka ny vaksiny Sinopharm... ♦ Nandiso ny vaovao miely amin'ny tamba-jotra serasera momba ny fisiana "Prime exceptionnelle" hatrany amin'ny 980 tapitrisa Ariary ho an'ny mpiasa ny tompon'andraikitry ny Jirama...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco