♦ Andrasana amin'ity anio ity ny tohin'ilay raharaha Apollo 21. Efa misy tonga eny amin'ny fitsarana Anosy ireo olona voarohirohy... ♦ Manahy ny mety hahafahan'ireo "Trondro vaventy" voakasiika amin'ilay vatosoa valo kaontenera ny KMF/CNOE Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Tsy manana mpiadina ao amin'ny sokajy OSE kosa, ny sekoly katôlika manerana ny Nosy amin'ity Baccalauréat 2021 ity...

♦ Nahazo fahafahana vonjy maika ny efatra amin'ireo voarohirohy amin'ilay raharaha fikasana hamono mpitondra ambony eto amin'ny firenena "Apollo 21". Hitohy rahampitso indray ny fitsarana ity raharaha ity... ♦ Mitaraina ny fikambanan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, amin'ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny mampiditra mpianatra eny amin'izy ireo. Miantso ny fitondrana handray andraikitra koa ity fikambanana ity, amin'ny fidangan'ny vidin'ny fitaovam-pianarana amin'izao...

♦ Banga iray indray ny tarika Mahaleo, nodimandry androany maraina teny amin'ny hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona i Charles Bert Andrianaivo... ♦ Hifarana anio ny fampiofanana fanatevenam-pahalalana ho an'ireo ben'ny tanàna lany tamin'ny anaran'ny IRK nomen'ny FES teny Ankadikely... ♦ Niakatra ho 44,12% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakàna BEPC tany amin'ny farimpiadidim-pampianarana Mandritsara... 

♦ Niseho fitsaraàna voalohany teo anivon'ny fampanoavana omaly ireo olona voarohirohy amin'ny fifofoana ny ain'ny filoham-pirenena. Nalefa eny amin'ny Fonjan'i Tsiafahy ireo atidoha nikotrika ny paikady... ♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin'ny faritr'i Menabe. Manaitra ny mpitondra ny Justice et Paix any amin'ny Diôsezy Morondrava... ♦ Mikasa hitokona indray anio ny fiara vaventy mpitatitra entana mampiasa ny lalam-pirenena faharoa, noho ny haratsian'ny lalana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...