♦ Ny akon'ny fisehoana voalohany : ireo olona voasaringotra tamin'ny Appollo 21 teo anivon'ny fampanoavana... ♦ Miavaka tamin'ny andiany hafa teo alohany fomba fiasa tamin'ny FIER Mada andiany faha-22, izay nanomboka androany, teny amin'ny kianja Makis Andohatapenaka... ♦ Manambana ny hitokona indray rahampitso ireo mpitatitra entana amin'ny fiara vaventy. Hihatra manomboka rahampitso koa ny vidiny farany ambany 500Ariary amin'ny saribao...

♦ Trano 250 no may kila hotohoton'ny afo, Anarivony ny tra-boina tsy manan-kialofana, vokatry ny hain-trano nitranga tao amin'ny Fokontany Masindrano-Mananjary... ♦ Hamoraina sy hampiasàna ny teknôlôjia môderina manomboka izao ny fandraisana ny mombamomba ny mpandeha amin'ny taxi-brousse na ny famenoana ny Manifold... ♦ Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba ny fitoriana nataon'ireo mpisolovava miisa 3, niampanga ny holafitry ny mpisolovava  tamin'ny fifidianana sy fanendrena ny solontenan'io holafitra io ao amin'ny CNIDH... 

♦ Manoso-kevitra amin'ny fahefana mpanatanteraka ny antenimieram-pirenena, mba hanomezana hasina kokoa ity andrim-panjakàna ity amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra goavana... ♦ Manainga ny malagasy hitandro ny firaisan-kina, fototry ny fihavanana ny filohan'ny antenimieran-doholona, manoloana ny fikasàna hifofo ny ain'ny filoham-pirenena... ♦ FIER Mada 22: Ho ambohi-pihaonan'ny mpamokatra, ny teknisiana, ny mpandraharaha sy ny tompon'andraikitra maro, manomboka anio, eny amin'ny kianja Maki Andohatapenaka...

♦ Nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara. Lahadinika miisa dimy no voafaritra anatin'ny fivoriana, isan'izany ny fandaniana ny volavolan-dalana mifehy ny famatsiam-vola sivifolo sy efajato tapitrisa dolara, avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Hitombo avo roa heny ny mpanjifan'ny orinasa JIRAMA ao anatin'ny dimy taona. Ny mpanjifa izay velon-taraina indray manoloana ny fidangan'ny faktioran'izy ireo tato ho ato...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...