♦ Nodimandry omaly i Mopera Rakotondrasoa Jean Timoté. Tanterahina anio tolakandro ny fandevenana... ♦ Nanome hafatra ho an'ny mpanohitra ny governoran'ny Faritra Analamanga nandritra ny fanolorany ny fiarabe mpitatitra fako ho an'ny kaominina Ambohidratrimo... ♦ Tsy mbola misy fiatraikany amin'ny fiainam-bahoaka ny asan'ny mpitondra ankehitriny, hoy ireo mpizaika amin'ny fikaonandoha nasiônaly karakarain'ny RMDM, eto Antananarivo...
♦ Nanao ranolava ny fanambarana sy ny fanehoan-kevitr'ireo mpanao pôlitika samihafa, manoloana ilay voalaza fa fisian'olona mikasa hifofo ny ain'ny Filoham-pirenena. Fanehoan-kevitra vitsivitsy no entintsika amin'izao vaovao izao... ♦ Mikaon-doha momba ny raharaham-pirenena, eto Antananarivo, ny avy amin'ny RMDM sy ireo ankolafin-kery. Milaza ho manana vahaolana, manoloana ny fiainam-bahoaka izy ireo, ao aorian'izao fakan-kevitra izao...
♦ Nisy ny fisavana ny trano fonenan'ny iray tamin'ireo olona voasaringotra tamin'ny fikasana hamono ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina. Basy sy bala niaraka tamin'ny vola be no hita tamin'izany... ♦ Misy amin'ireo foibem-pitsarana fanadinana BEPC, no mamarana ny fitsarana taratasim-panadinan'ireo miadina, anio zoma...
♦ Namoaka fanambarana ny Arsevekan'Antananarivo, manoloana ny raharaha mafampana eto amin'ny firenena ankehitriny. Ho entintsika manontolo amin'izao vaovao izao izany... ♦ Olona enina no efa voasambotra amin'ny raharaha voalaza fa fikasana hamono olom-panjakana ambony, raha ny tatitry ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka androany. Mety mbola hisy olon-kafa hosamborina, hoy hatrany izy...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco