♦ Tombanana hiakatra hatrany amin'ny 7,5% ny taham-piakaran'ny vidim-piainana eto Madagasikara hatramin'ny faran'ity taona ity, araka ny antontan'isa navoakan'ny Instat... ♦ Hitombo 5% ny teti-bola ho ampiasain'ny kaominina Antananarivo ho an'ny taona 2022, antony ny fanamboarana sy fanatsaràna foto-drafitr'asa... ♦ Voarara any amin'ny distrika Sakaraha ny fitondràna fitaovam-piadiana, vokatry ny fifandonan'ny foko Antandroy sy ny Bara tamin'ny herinandro teo...

♦ Omaly vao voafehy ny afo, manoloana ny firehetana tany amin'ny valan-javaboaharin'Ankarafantsika, araka ny tatitry ny ministera, toerana roa hafa koa, tratran'ny doro tanety any an-toerana... ♦ Mbola mikatso ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i Toliara, taorian'ilay savorovoro farany teo... ♦ Manomboka ny fanenjehana ireo taxi-moto, ao an-drenivohitra. Moto maro omaly no noraofin'ny Pôlisim-pirenena ary nahiditra valan-tsazy...

♦ Mbola mikatso tanteraka ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i  Maninday-Toliara, raha ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpianatra avy any an-toerana... ♦ Tsy voafehy amin'ny asa tanamaro ataon'ny fokonolona intsony ankehitriny ny fifehezana ny afo any Ankarafantsika, hoy ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Miroso amin'ny fampiharana ny lalàna amin'ny fandraràna ireo taxi-moto ny pôlisim-pirenena...

♦ Tokony ho hita mialohan'ny oktobra ny vola atokana amin'ny famonoam-balala eto Madagasikara hisorohana ny mety ho fahasarotan'ny asa... ♦ Tontosa ny sabotsy teo ny famoriam-bahoaka nataon'ny RMDM tao Antsirabe an-tampon-tanàna, nanambaràna ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambe natao teo Antananarivo farany teo... ♦ vonona hiaino ny olan'ireo mpiara-miasa, momba ny fitantanana ny ministera, ny ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak'asa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...