♦ Azo antoka ara-teknika tanteraka ny fitanterana an-taroby na ny teleferika, ary izy no fitanterana kely ny ambana amin'ny mety hisian'ny loza raha mitaha amin'ireo karazam-pitanterana hafa... ♦ Nisantaràna ny fizaràna masomboly avy amin'ny tetik'asa MIHONJO vatsian'ny banky iraisam-pirenena vola ho an'ny faritra Anosy ny tao amin'ny kaominina Ifotaka distrika Amboasary-Atsimo... ♦ Harentsaina lehibe ny fiandohan'ny Malagasy ka namoaka boky momba izany ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera...

♦ Niharan'ny fanafihana ry Mopera any Beraketa-Androy, omaly. Naratra mafy tsy nahatsiaro tena vokatra izany ny pretra iray... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'izay te-hampandroso ny tanindrazana ny fiangonana katôlika hoy ny filohan'ny fivondronamben'ny eveka, mikasika ny teleferika... ♦ Efa azo lazaina ho tratra ny PIC tamin'izao andiany fahatelo amin'ny Covid-19 eto Madagasikara izao. Efa tratra koa araka izany ny hery fiarovana faobe...

♦ Pretra iray no naratra mafy noho ny fanafihana nahazo azy tao Beraketa any Androy. Efa nanomboka nahatsiaro tena izy androany... ♦ Vonona hiara-miasa amin'izay te hampandroso ny Tanindrazana ny Fiangonana Katôlika, hoy ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka androany, tao aorian'ny fiarahabana ny Filoha mivady teny Iavoloha... ♦ Efa azo lazaina ho tratra kosa ny "PIC" tamin'izao andiany fahatelo amin'ny Covid-19 eto Madagasikara izao, raha ny fanadihadiana natao tamin'ny mpitsabo. Ilaina hatrany anefa ny fampiharana ireo fepetra sakana...

♦ Ho tambazana vola be izay manome vaovao momba ny nahatonga ny firehetan'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Nilaza ny filoham-pirenena fa hasomparana no nampisy fahavoazana tany an-toerana... ♦ Mandrahona ny hamoaka datim-panadinana iraisana ho azy ny vovonan'ny  sekoly tsy miankina eto Madagasikara, rehefa tsy hamoaka ireo tetiandrom-panadinam-panjakàna amin'ity taona ity ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Namoizana ain'olona indray ny fihinanana soka-dranomasina "fano" tany amin'ny distrika Antsiranana-II. Ankizivavy iray no maty, 18 hafa narary...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...