♦ Nihatrika ny CEPE Katôlika androany, ireo mpianatra avy amin'ny sekoly katôlika rehetra hihatrika ny fanadinana CEPE amin'ny volana jona ho avy izao. Afaka nanao ny fanadinana avokoa ny diôsezy manerana ny nosy... ♦ Nanatrika ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ireo teknôlôjia ara-toekarena nomerika, atao any Emirats Arabes Unis ny Filoha Malagasy ny antoandro teo. Nambarany fa nisafidy ny hiara-miasa amin'ny Federasiôna Arabo ho an'ny toe-karena nomerika i Madagasikara, ho fanatanterahana ny fiovana nomerika...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...