♦ Naneho ny fahavononany hitarika ny fikaonan-doham-pirenena ny ACS, ivondronan'ireo Loholona sy CST teo aloha. Nambaran'ny Profesora Ralison Roger fa manana ireo fironan-kevitra rehetra afahana mikarakara izany ity fikambanana ity... ♦ Hovahana amin'ny alalan'ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fananan-tany ny fitarainan'ny vahoaka, hoy ny ministra misahana io sehatra io. Ny 08 ka hatramin'ny faha-10 jona izao no hanatanterahana izany... ♦ Rahampitso amin'ny 10 ora alina, ora eto Madagasikara, ny fihaonan'i Ghana sy ny Barea any amin'ny taniny. Mety handahatra mpilalao avy eto an-toerana 4 na 5 ny mpanazatra Nicolas Dupuis, raha ny filazany...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...