♦ Hampakarina 12,1% ny taham-pandoavan-ketra amin'ity taona ity, hoy ny Tale Jeneralin'ny Foibe Fitantanana ny Hetra. Tsy nisy afa-tsy 10,9% izany, tamin'ny taon-dasa... ♦ Miverina mianatra avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny nosy amin'ny alatsinainy 17 janoary, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hotanterahana ny alatsinainy 18 hatramin'ny zoma 22 jolay 2022 kosa ny Baccalauréat, ho an'ny fampianarana ankapobeny...
♦ Mila sahy mamoaka rafitra mazava sy ara-dalana mba tsy hahafahan'ireo olom-bitsy mifehy samy irery ny asa fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany ny fitondrana, hoy ny Solombavam-bahoaka Jean Brunelle Razafitsiandraofa... ♦ Trano maherin'ny folo, miaraka amin'ny voly sy ny biby fiompy no potika, vokatry ny fipoahan'ny dynamite, tany Nosy Be... ♦ Miroso amin'ny famendrahana fanafody ireo sekoly amin'izao fotoana izao, andro vitsy mialoha ny hiverenan'ny fampianarana...
♦ Nodimandry tampoka, rehefa nitambotsitra teo am-pitarihana fanompoam-pivavahana ny Filoha Lefitry ny FLM, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Andrasana ny vokatry ny fangatahana nataon'ny fitondrana malagasy ny amin'ny hampodiana eto Madagasikara ireo volamena 73 kilao sy ireo olona voasaringotra tamin'izany, tany Afrika Atsimo... ♦ Olona 120 kosa no nisitraka Kopiam-pahaterahana tao an-tampon-tananan'i Toamasina...
♦ Mbola hitohy ny dinika amin'i Lafrantsa momba ny fitakiana ireo "Iles éparses", hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny androany. Efa mamarana ny fisivanana ireo Masoivohontsika any ivelany kosa ny Minisitera tantanany ankehitriny... ♦ Nodimandry tampoka ny Filoha Lefitry ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Voasambotra ny ramatoa mahitahita nibodo ny tanin'ny vahoaka 148 Ha, any Belambo, Disitrikan'i Toamasina Faharoa...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco